Andininy
Protestanta Malagasy
21
Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia pèrila roa ambin'ny folo; pèrila iray avy ny isam-bavahady; ary ny làlambe tao an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7C95125-0B0F-414D-A8ED-792030D901B6
22
Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77B3DF5F-8243-4114-B133-AA9C0047D5DF
23
Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|785BB0D8-5077-44B0-B8C2-6AF12D98B419
24
Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF39FEBF-3840-49F9-994E-1EF75B69B795
25
Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B83DD9B0-2756-4715-B673-5D9FA87BFACB
26
Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4425EC5-3F9D-44ED-B525-AA0D8D551844
27
Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A64D62-5182-48C0-8DD7-CC8FB6B127DB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany