Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara aty, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|103A88F6-EF7A-46B1-97D7-CB532D9674B9
2
Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFD66D1C-6A17-48AC-99F5-5736CC7B682D
3
Ary ny tarehin'Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FE6AD22-41F0-4DD6-B651-5CD44A7B0040
4
Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F139FC80-30BA-4FF7-8C2A-B65D505283AC
5
Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BD07D83-8E33-4ADE-8E78-1516829AE09C
6
Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-mana-aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EFAAAD0-9DCA-4050-8C23-EA1E53F800E8
7
Ary ny zava-manan-aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan-aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan-aina fahatelo dia nanana tava tahaka ny tavan'olona ary, ny zava-manan-aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|259408A8-47D3-4D49-B4C1-183D3AEE18CF
8
Ary ny zava-manan-aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman-alina izy manao hoe: Masina, masina , masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1A7FC23-3997-4B6D-9FB3-2D144C838FB6
9
Ary raha ny zava-mana-aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB1CB248-5280-4A72-BD09-E2D1D5167B78
10
dia hiankohoka eo anoloan'Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satroboninahitra eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CB99DFC-66DD-4D73-84C0-5510EB32BB4E
11
Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCCBFF53-5984-4323-881E-F747F61D3898
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany