Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombokase fito, teo an-tànana ankavanan'Ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1113C9F-E377-4CB7-AC04-E67BA7649382
2
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AB90AAF-AD4D-4841-9877-4B1C2D18A3C3
3
Ary tsy nisy tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6AA6415-F645-47E0-B1F3-6CDE20C04FC0
4
Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29638496-5A18-42B9-8151-1101F5E4935B
5
Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen' i Joda, dia ny Solofon'i Davida no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AD717E9-2B63-4D51-9CD0-5F565CB0C67B
6
Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0081B436-D8CA-4D67-B200-4BA1FC406CDA
7
Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tànana ankavanan'Ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1DDEA87-DC30-4A6F-AB05-F2B42DC2CF4C
8
Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manan-aina efatra sy ny loholona, efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7019BDBB-7D53-425E-BB1E-74D3A15D55E1
9
Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F8ED09F-9D2E-478E-86B0-42D17DE6CFAF
10
Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra ireo; ary manjaka ambonin'ny tany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A4B0EA-FF29-446D-8A37-8E1E71314D8A
11
Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina ary ny loholona, ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9FDFCF5-0E96-4124-8D22-0F38F8070EA3
12
nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A517F3D-149E-4EFB-8E68-A124CB54C965
13
Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny dia reko samy nanao hoe: Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8221F41D-1D52-432C-9626-32D3F9CE1EDD
14
Ary ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F37D1A65-1736-4B5B-9013-BF67F6CD6CE7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany