Andininy Protestanta Malagasy 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F8ED09F-9D2E-478E-86B0-42D17DE6CFAF 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra ireo; ary manjaka ambonin'ny tany izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A4B0EA-FF29-446D-8A37-8E1E71314D8A 11 Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina ary ny loholona, ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9FDFCF5-0E96-4124-8D22-0F38F8070EA3 12 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A517F3D-149E-4EFB-8E68-A124CB54C965 13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny dia reko samy nanao hoe: Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8221F41D-1D52-432C-9626-32D3F9CE1EDD
|