Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan-aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433C1390-DFE6-42F7-9CAA-69F54071C7CC
2
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipika, ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACA46666-0388-4629-908E-432DDF10DE1F
3
Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan-aina faharoa nanao hoe: Avia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8204C16-13EC-4BB0-A011-23D38FE20311
4
dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF9791B-C2D5-4DCE-823F-D03632660292
5
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan-aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty; ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F856E13A-81B7-4308-B133-509EBA3157ED
6
Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Venty ny vary tritrika eran'ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76EA9621-3391-4920-A01E-358FB4147AE8
7
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan-aina fahefatra nanao hoe: Avia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40D520A2-8D7A-4B37-B70A-9AB4FFF9B6BE
8
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C75E7E1-338B-4979-B3A8-C603FEAFE996
9
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8209FE29-D6B8-4D25-BC2F-2A47C6CEC62F
10
Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny ranay amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|043A6F7C-DC50-4A8F-A817-BF1AFC2194A9
11
Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A31D421-491C-490F-A762-E8B4DEC6C035
12
Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6613FE6-82C8-4DC1-8F58-636B3EFCD4C1
13
Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|441C93E2-C862-4D2B-B1E8-52705DCDD068
14
Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|741DA784-B6AE-4537-8EDC-9296F70F958D
15
Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanan-karena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59747D51-1386-4FD5-8BFC-4727DED525DA
16
ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DAD40B2-3B2E-4001-B1A0-04A9BDF09703
17
fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo , ka iza no mahajanona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FA1968D-1A14-4F4B-B71F-994ECAE62EB9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany