Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F9ADEBB-FEC2-4368-9BD3-B80A97B9424A
2
Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0FC0679-E545-4C2B-8689-7E108D171331
3
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin' ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FF1A94C-3644-401C-A266-56F43468C061
4
Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D448D03-D7B9-4E58-BD79-9E736DC683C3
5
Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01CEF8BA-9BC4-4B24-8FF4-D9C58B82417E
6
Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A8F1AE6-A23C-4CFE-BD93-8C8E16A55EFC
7
Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo ra; ka nararaka tamin'ny tany izany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BF8B24E-EEF0-4F27-99DB-F6035FCC8AC3
8
Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga ra ny ampahatelon'ny ranomasina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0805261-8573-47C1-B9FC-2BB256A74722
9
ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan-aina tao an-dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71E61613-BB9C-4B47-B532-F72212F1A022
10
Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ary latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DCA380E-217C-4C5C-BB9D-EA0AD1B6463B
11
ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano satria efa nangidy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABBF9A10-6845-46C6-AA9A-BFE5DF4D4ED5
12
Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, ary mba ho toy izany koa ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|854CEDF1-D331-432E-B824-8E8DDCBA1849
13
Dia nahita sy nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25E48FD7-88C4-435A-B02A-5B58515EE852
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany