Andininy Protestanta Malagasy 3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin' ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. 4 Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany. 6 Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
|