Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5DC6E33-04CB-4992-92A9-79299FDA93FA
2
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra avy tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2489240-D630-41C9-95FD-ADCBCF350543
3
Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nakamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin' ny maingoka amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|121CC332-B9EC-454F-A441-EE0B249B0B16
4
Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|452299A7-7120-4C59-BAC0-20FC79B9877C
5
Nefa tsy navela hahafaty azy izy, fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DB463AE-27D4-428F-9CFC-13B36C222C51
6
Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra azy ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8B5D6BD-6618-4829-9993-E826711F83A4
7
Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satroboninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23830E4B-E155-4C34-A098-28810F848B9A
8
Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85714172-8C56-4875-893C-0C256DB6C2ED
9
Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26E0E4AA-343A-4F83-AC3C-B58DE2E9A01C
10
Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2984D5EA-B286-4657-909F-D07701F3048A
11
Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ary ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05A6EB01-FF90-4820-837F-5DEB9F6FB512
12
Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EC2BF2A-511B-42CE-BF04-98B4E32621F8
13
Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo avy tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B755574-4B86-4068-8739-0ECBF77882CE
14
nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62D749B5-4F36-4C7E-916E-632C2AC2F9F0
15
Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|011D3F9B-CC1C-4B09-BFAE-E8207EBC6A2D
16
Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D4A5A06-305A-4FA9-B85E-8475C8438B04
17
Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manam-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny hyakinta ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy amin'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A645095-5675-4D61-93FC-C8BD73A5AC76
18
Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka avy tamin'ny vavany, no hahafaty ny ampahatelon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF1A7EB8-4AAA-4FD6-9409-4C114170B7F4
19
Fa ny herin' ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82C3943B-A52F-4ED4-8209-F130F5158773
20
Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B35D1FCE-26F4-4A5F-9DE3-F1665D2FA89A
21
ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A15D704-0BCB-42D8-8393-5637E6190DC2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany